Fomba famangiana manjo eto afovoan-tany

Miarahaba antsika rehetra,

Ity misy fomba famangiana manjo tena tsotra hoan’ny eto am-povoantany. Eto Antananarivo moa aho no mipetraka ary teto no lehibe ka izay no mahatonga ahy mizara ny fomba fanao eto. Raha manana occasion hianarana ny fomba hafa aho dia zaraiko eto izany satria tsara tadidina fa misy foko 18 ity gasikaratsika ity ary samy manana ny fombany izy ireo.

Izay fomba fanao hita sy re teny am-mpamangiana manjo no zaraiko eto fa tsy nianarako tanaty boky akory. Tsy ho lava resaka fa hitatsika eto ambany ary ilay kabary mifamaly fanao rehefa mamangy fahoriana.

Mpamangy miara miteny: Akory aby ianareo tompoko
Vangiana miara-miteny: Indreto eto ihany izahay tompoko NA indreto izahay tompoko
Mpamangy miara-miteny: Mamangy amin’ny fahoriana tompoko
Vangiana miara-miteny: Misaotra tompoko
Solo-tenan’ny mpamangy: Noho izao voina mihatra amin’ny fianakaviana izao dia indreto izahay, tsy iza fa havanareo ihany. [eto dia tsara raha milaza ny makasika azy ireo mamangy. ohatra: Izahay dia zanaka na taranak’i Rakoto avy eny Amboanjobe] Tsy tonga hamendrofendro tompoko fa kosa hitondra ny teny fampiononana. Eny ry izy mianakavy, ny varavarana ivoahany no anareo fa ny fahoriana dia antsika mianakavy. Ary na dia te hiara hitomany sy hitanondrika aminareo aza izahay, dia tsy maintsy misy hono ny mipetraka ho vangiana ary misy ny mitsangana hamangy amin’ny fotoana toy izao. Mafy tokoa raha mafy ny fisarahana an-tany. Mafy izany nilaozan-kavana [afaka tenenina mivantana hoe nilaozan-janaka, na nilaozan’ny reny niteraka, kitapo nifonosaka, na nilaozan’ny ray andry niankinana arakarak’izay nodimandry], nefa tombon-dalana ny azy ary isika rehetra izao dia mbola ho any avokoa. Isika tompoko dia alahatra fa tsy mandahatra ka aoka ahatoky hatrany an’ilay mpandahatra antsika fa izy no mahalala izay mety amitsika mianakavy. Ka mahaiza mionona tompoko.
Mpamangy miara-miteny: Aza misosoka alahelo intsony tompoko
Vangiana miara-miteny: Misaotra tompoko
Solo-tenan’ny vangiana: Misaotra anareo tompoko nohon’ny fahatongavanareo eto. Raha naheno ny fahoriana mahazo anay ianareo dia tsy nitazan-davitra fa tonga mitondra ny teny fampiononana sy miara ory aminay. Tsy misy mampionona aza moa tompoko mionona ihany maika fa misy anareo namana/havana tonga mampionona ka dia hionona tokoa izahay tompoko.
Mpamangy miara-miteny: Aza misosoka alahelo intsony tompoko
Vangiana miara-miteny: Misaotra tompoko
Solo-tenan’ny mpamangy: Manaraka izany ry izy mianankavy, ny fahoriana toy izao tsy ilaozan’adidy ka araka ny fomba malagasy izay tsy mbola hita izay maharatsy azy dia tonga izahay mitondra ny voatsirambin’ny tanana ho fizaranay ny mavesatra aminareo. Raiso izany tompoko ho sombin-damba hoan’ny maty, ho solombary hoan’ny velona. [Eto no atolotra ny fao-dranomaso ka izay vehivavy zandriny indrindra no manolotra azy raha misy vehivavy tonga mamangy eo] [Milaza i José ANDRIANJANAKA ao amin’ny commentaire fa « voarambin’ny tanana » no fiteny fa tsy « voatsirambin’ny tanana » mangataka antsika hijery ny andinin’izany commentaire izany eto ambanin’ity lahatsoratra ity. Misaotra tompoko]
Solo-tenan’ny vangina: Tsy vitan’ny tonga mampionona anay ianareo amin’izao fahoriana izao fa mbola mitondra fao-dranomaso koa. Andriamanitra manakarem-pahasoavana anie tompoko hamaly fitia anareo ka hampitombo avo folo, avo zato heny ny kitapo izay nivoahany.
Mpamangy miara-miteny: Aza misosoka alahelo intsony tompoko
Vangiana miara-miteny: Misaotra tompoko
Solo-tenan’ny mpamangy: Eny ry izy mianankavy, satrinay tompoko ny hijanona, hipetrapetraka miaraka aminareo mba hanala fahanginana nefa zarazarain’ny adidy samy manana ny azy moa ka hangata-dalana hitsaitsaika izahay. Ny tenanay anefa no mandao anareo fa ny Tompo kosa tsy mba mandao. Aza misosoka alahelo intsony tompoko.

Indraindray mbola mamaly ny vangiana eto, fa afaka tonga dia mandray tanana koa. Raha hijanona hanàla fahanginana daholo dia ovaina arak’izay ny kabary [ohatra : Eny ry izy mianankavy, izahay moa dia mbola hipetraka hanàla fahanginana anareo ka aza misosoka alahelo intsony tompoko – dia tonga dia mandray tanana] Raha hizara, izany hoe misy hijanona misy handeha dia ovaina arak’izay ny kabary [ohatra : Eny ry izy mianankavy, misy aminay handeha nohon’ny adidy maro miandry fa misy kosa mbola hipetrapetraka hanala fahanginana ka aza misosoka alahelo intsony tompoko – dia tonga dia mandray tanana] 

Fanamarihana: Tsara raha soratana eo amin’ny valopy ny anarana feno na ny anaran’ny ray aman-dreny (oh: Taranak’i…) rehefa mamangy satria raisin’ny tompo-manjo an-tsoraka izy ireny matetika. Ary pratique kokoa aza raha tonga dia soratana eo koa ilay fao-dranomaso satria araka ilay fomba malagasy atao hoe « atero ka alao » dia ambony kokoa nohon’ny fao-dranomaso voaray no omena raha sanatria hidonam-pahoriana koa ireo havana sy namana namangy.

Marihina fa misy « versions » maro io famangiana manjo io ary miovaova foana, araka ny fahaizan’ny mpamangy sy ny mpamaly miteny. Noho izany dia marihina ihany fa ohatra fotsiny ity zaraina ity.

Mandra-piresaka tompoko

17 réflexions sur “Fomba famangiana manjo eto afovoan-tany

  1. Misy fomba fitenenana izay diso tanteraka nefa zary lasa fahazarana rehefa mamangy fahoriana.
    Tsy inona izany fa ny teny hoe :  » voatsirambin(a)’ny tanana « . Raha sarahana ny teny hoe « voatsirambina » dia manome tiy izao : VOA – TSIRAMBINA. Ny dikan’ny foto-teny hoe : tsirambina dia kitoatoa, tsy ara-dalàna, tsy araka ny tokony ho izy. Ny vola famangiana natolotrao izany dia zavatra kitoatoa, tsy misy fotony ary tsy tokony natao.
    Ny teny Malagasy tena izy dia hoe : izay VOARAMBIN’ny tanana. Ny foto-teny dia : RAMBY izay midika hoe azo. Ny voarambina izany dia izay kely mba azon’ny tanana.
    Koa mba mangataka nareo hitondra ny fanitsiany.
    Misaotra Tompoko.

    Aimé par 1 personne

  2. Ping: Teny diso tsy mba kabary | °Une goutte d'eau dans l'océan°

  3. Ping: Les statistiques ne mentent pas | °Une goutte d'eau dans l'océan°

  4. Ping: En 2021, les choses ont changé | °Une goutte d'eau dans l'océan°

  5. Tena , marina tokoa ilay hoe VOARAMBIN’NY TANANA, tsy niomanana ny fahafatesana fa avy tampoka. Noho ny fahamaizana dia izay voarambin’ny tanana no nentina. Mifanohitra amin’izany kosa ny fety sy ny fifaliana, omanina ary azo fantarina mialoha izany ha izay ZAKAN’NY TANANA no entina. Mankasitra tompoko.

    Aimé par 1 personne

    • ny fifantohana kosa iny an’ny tsirairay e. miezaka tsy mieritreritra zavatra hafa satria fahoriana no hatrehina sao sanatria tafiomehy eo. raha tsy mbola namangy mihitsy dia tsara raha mamerimberina any an-trano alohan’ny hidirana ao amin’ilay fahoriana.

      J’aime

Qu'en dites vous?